Boky faharoan'i Samoela 31:1
Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 31
Cross References
1 Samuel 12:25Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
1 Samuel 28:4Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
1 Samuel 28:19Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
2 Samuel 1:21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.