Boky faharoan'i Samoela 28:19
Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 28
Cross References
Exodus 9:18Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
1 Samuel 31:1Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
1 Kings 22:20Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
Jeremiah 28:16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
Matthew 26:24Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Acts 5:9Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.