Boky faharoan'i Samoela 5:10
Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 5
Cross References
Joshua 15:11dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
Judges 1:18Dia afak’ i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
1 Samuel 17:52Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
1 Chronicles 7:21Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
Amos 6:2Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midìna ho any Gatan’ ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ ireo va ny taninareo?