Boky faharoan'i Samoela 17:52
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
53Ary ny Zanak’ Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
Joshua 15:33Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
Joshua 15:45Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
1 Samuel 5:8Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
1 Samuel 14:21Ary ny Hebreo izay teo amin’ ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin’ ny tany manodidina dia nikambana tamin’ ny Isiraely izay teo amin’ i Saoly sy Jonatana koa.
1 Kings 20:21Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.