Boky faharoan'i Samoela 6:14
Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin’ i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon’ ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 6
Cross References
Judges 6:26dia manorena alitara eto an-tampon’ ity fiarovana ity ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin’ ny hazon’ ny Aseraha izay hokapainao.
1 Samuel 7:9Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
1 Samuel 20:29nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain’ ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ ny latabatry ny mpanjaka.
2 Samuel 24:22Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ ny omby hatao kitay.
1 Kings 18:30Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava