Boky faharoan'i Samoela 9:16
Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin’ ny tanin’ ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary Jehovah efa nanambara tamin’ i Samoela omalin’ ny andro nahatongavan’ i Saoly ka nanao hoe:
Read all of Boky faharoan'i Samoela 9
Cross References
Exodus 2:24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
1 Samuel 10:1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
1 Samuel 14:23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’ izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
1 Samuel 16:3Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
2 Kings 9:3ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin’ ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
Psalms 106:44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;