Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 3:2
ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ ny finoanareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana 3
Cross References
Acts 16:1Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―
Acts 17:14Ary niaraka tamin’ izay dia nasain’ ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
Romans 16:21Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
1 Corinthians 16:10Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
2 Corinthians 1:19fa ny Zanak’ Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
2 Corinthians 8:23Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.