Epistily voalohany ho an'i Timoty 1:17
Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 1
Cross References
1 Chronicles 29:11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
Psalms 10:16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
Psalms 45:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana.
Psalms 47:6Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
Psalms 72:18Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
Psalms 106:48Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.