The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 12 › Bokin'ny Tantara 12:13

Bokin'ny Tantara 12:13

Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

So king Rehoboam strengthened himself in Jerusalem, and reigned: for Rehoboam was one and forty years old when he began to reign, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city which the LORD had chosen out of all the tribes of Israel, to put his name there. And his mother’s name was Naamah an Ammonitess.

In Context

12Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.

14Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’ i Jehovah.

Read all of Bokin'ny Tantara 12

Cross References

Deuteronomy 12:5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.

Deuteronomy 23:3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.

1 Kings 11:36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.

2 Chronicles 6:5Hatramin’ ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran’ ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;

2 Chronicles 13:7Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

Nehemiah 13:26Tsy izany va no nanotan’ i Solomona, Mpanjakan’ i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ ny firenena maro, fa tian’ Andriamaniny izy ka nataon’ Andriamanitra ho mpanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain’ ny vehivavy hafa firenena.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 12:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 12:12Bokin'ny Tantara 12Bokin'ny Tantara 12:14 →