Bokin'ny Tantara 21:10
Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 21
Cross References
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Joshua 10:29Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
Judges 10:13Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
2 Chronicles 13:10Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
2 Chronicles 28:6Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.