Bokin'ny Tantara 21:13
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ ny taranak’ i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 21
Cross References
Genesis 42:21Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
1 Kings 2:31Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
1 Kings 16:25Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
1 Kings 16:33Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
2 Chronicles 21:4Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.