Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:31
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Genesis 9:5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Numbers 35:33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
Deuteronomy 19:13Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.
2 Samuel 3:28Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
Proverbs 28:17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.