Bokin'ny Tantara 21:17
ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka mbamin’ ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 21
Cross References
2 Chronicles 22:6Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Azaria, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina mba hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
2 Chronicles 25:23Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Amos 1:6Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;