2 Chronicles 21:2
Ary nanan-drahalahy, zanak’ i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 21:4Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.
2 Chronicles 24:5Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’ Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
2 Chronicles 28:19Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ ny Joda ka nivadika tamin’ i Jehovah.
2 Chronicles 28:27Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 35:18Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ ny Isiraely na dia hatramin’ ny andron’ i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’ i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.