The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Tantara › Bokin'ny Tantara 23 › Bokin'ny Tantara 23:13

Bokin'ny Tantara 23:13

Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And she looked, and, behold, the king stood at his pillar at the entering in, and the princes and the trumpets by the king: and all the people of the land rejoiced, and sounded with trumpets, also the singers with instruments of musick, and such as taught to sing praise. Then Athaliah rent her clothes, and said, Treason, Treason.

In Context

12Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao an-tranon’ i Jehovah koa izy.

14Fa nasain’ i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin’ ireo: Avoahy eny ivelan’ ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon’ i Jehovah izy.

Read all of Bokin'ny Tantara 23

Cross References

Judges 7:8Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.

1 Kings 1:39Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!

2 Kings 9:13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’ i Jeho teo amin’ ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.

2 Kings 23:3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.

1 Chronicles 15:16Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.

1 Chronicles 15:27Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Tantara 23:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Tantara 23:12Bokin'ny Tantara 23Bokin'ny Tantara 23:14 →