Bokin'ny Tantara 25:2
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he did that which was right in the sight of the LORD, but not with a perfect heart.
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 25
Cross References
1 Samuel 16:7Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
2 Chronicles 24:2Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Joiada mpisorona.
2 Chronicles 26:4Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
Isaiah 29:13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
Acts 8:21Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra.
James 4:8Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.