The Bible Software
Bokin'ny Tantara · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Tantara 27

1Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.

2Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.

3Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.

4Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy.

5Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa.

6Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.

7Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.

8Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.

9Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

← Bokin'ny Tantara 26Read In The App, Free →Bokin'ny Tantara 28 →

Study Bokin'ny Tantara 27

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536