Bokin'ny Tantara 32:13
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ ny firenena rehetra tany amin’ ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ iny tanako?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 32
Cross References
2 Kings 17:5Dia niakatra ny mpanjakan’ i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
2 Kings 19:11Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
2 Chronicles 32:19Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.
Isaiah 10:9Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?
Isaiah 10:14Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ ny akanim-borona no nakan’ ny tanako ny haren’ ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
Isaiah 37:18Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny