Bokin'ny Tantara 6:13
fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’ io izy ka nandohalika teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 6
Cross References
1 Kings 6:36Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy.
1 Kings 8:54Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon’ i Solomona tamin’ i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin’ ny alitaran’ i Jehovah izay efa nandohalehan’ ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin’ ny lanitra izy.
Ezra 9:5Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’ i Jehovah Andriamanitro aho
Nehemiah 8:4Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
Daniel 6:10Ary noho izany dia nasian’ i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
Acts 20:36Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’ izy rehetra.