Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1:17
Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1
Cross References
Jeremiah 23:32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
Matthew 5:37Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
2 Corinthians 1:12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
2 Corinthians 10:2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
Galatians 2:2Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin’ ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin’ izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
James 5:12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.