Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11:26
nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Acts 9:23Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
Acts 13:1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Acts 14:5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,
Acts 15:2Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
Acts 17:5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.
Acts 18:18Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.