Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11:25
Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Matthew 21:35Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
Acts 14:5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,
Acts 16:22Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.
Acts 16:37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Acts 27:1Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.