Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11:6
Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11
Cross References
1 Corinthians 1:21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
1 Corinthians 2:13Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’ olona fa amin’ ny teny ampianarin’ ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’ izay olona araka ny Fanahy izahay.
2 Corinthians 5:11Koa amin’ izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’ Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ ny fieritreretanareo koa.
2 Corinthians 10:10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
Ephesians 3:4Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’ i Kristy,