Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11:9
Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Acts 18:3Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
2 Corinthians 6:4fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
2 Corinthians 9:12Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masìna ihany, fa mahabe ny fisaoran’ ny maro an’ Andriamanitra koa,
Philippians 2:25Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.
1 Thessalonians 2:6ary tsy nitady voninahitra tamin’ olona izahay, na taminareo, na tamin’ ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’ Apostolin’ i Kristy anay.
2 Thessalonians 3:8ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;