Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 3:18
Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 3
Cross References
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
John 17:24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
Romans 8:7satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
Romans 12:2Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
1 Corinthians 13:12Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
2 Corinthians 4:4izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra.