Filazantsara araka an'i Jaona 17:24
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 17
Cross References
Proverbs 8:21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
Matthew 25:23Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
Matthew 26:29Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.
Luke 22:28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
John 14:3Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.