Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:15
Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14fa fantatray fa Izay nanangana an’ i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Psalms 50:23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.
1 Corinthians 3:21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
2 Corinthians 1:11satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ ny fivavahanareo mba hisaoran’ ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ ny nataon’ ny maro.
2 Corinthians 9:11dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra.
Ephesians 3:20Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Colossians 3:16Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.