Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9:11
dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Being enriched in every thing to all bountifulness, which causeth through us thanksgiving to God.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9
Cross References
2 Chronicles 31:10Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
Malachi 3:10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Romans 12:8raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
2 Corinthians 1:11satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ ny fivavahanareo mba hisaoran’ ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ ny nataon’ ny maro.
2 Corinthians 8:2fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
2 Corinthians 8:19ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.