Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:17
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Genesis 15:1Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Psalms 30:5Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
Psalms 73:24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
Psalms 119:71Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
Isaiah 64:4Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin’ ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
Luke 6:23Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.