Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5:17
Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Isaiah 43:18Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Ezekiel 11:19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
Ezekiel 36:26Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
Matthew 12:33Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
Luke 5:38Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.