Boky voalohan'ny Tantara 1:9
Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 1
Cross References
1 Kings 17:18Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
1 Kings 18:10Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
1 Kings 19:2Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
1 Kings 22:26Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanàna, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
2 Kings 4:25Dia lasa ravehivavy nankany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ ny lehilahin’ Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin’ i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
Amos 7:12Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;