Boky voalohan'ny Tantara 1:10
Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 1
Cross References
Numbers 11:1Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
Numbers 16:35Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
1 Kings 22:28Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
2 Chronicles 36:16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Psalms 105:15Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
Daniel 3:22ary satria mafy ny tenin’ ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.