bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 10 › Boky voalohan'ny Tantara 10:14
Boky voalohan'ny Tantara 10:14
Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin’ ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he said, Take them alive. And they took them alive, and slew them at the pit of the shearing house, even two and forty men; neither left he any of them.
In Context
13dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
15Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 10
Cross References
2 Kings 8:18Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
2 Kings 10:10Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
2 Chronicles 22:8Ary tamin’ ny namalian’ i Jeho ny taranak’ i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’ i Ahazia, izay nanompo an’ i Ahazia, ka novonoiny.
This Verse In Other Editions
Study Boky voalohan'ny Tantara 10:14