Boky voalohan'ny Tantara 8:18
Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 8
Cross References
Deuteronomy 7:3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
1 Kings 21:25Fa tsy nisy tahaka an’ i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, satria nampirisihin’ i Jezebela vadiny izy.
1 Kings 22:53Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny rainy sy ny reniny ary tamin’ ny lalan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;
2 Kings 8:26Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
2 Kings 16:3fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 21:13Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan’ i Samaria sy ny pilaon’ ny taranak’ i Ahaba; ary hamaoka an’ i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.