Boky voalohan'ny Tantara 10:35
Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
36Ary ny andro izay nanjakan’ i Jeho tamin’ ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 10
Cross References
2 Samuel 7:12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Kings 2:10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
1 Kings 14:31Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Kings 13:1Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.
2 Kings 13:9Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.