Boky voalohan'ny Tantara 15:20
Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 15
Cross References
Ruth 2:1Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
2 Kings 15:29Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
2 Kings 18:14Ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’ i Asyria nampandoa an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
Job 1:3Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.