Boky voalohan'ny Tantara 16:14
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
Exodus 40:29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Chronicles 1:5Ary alitara varahina izay nataon’ i Bezalila, zanak’ i Ory zanak’ i Hora, dia teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
2 Chronicles 29:19Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain’ i Ahaza mpanjaka tamin’ ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah.
Matthew 23:35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.