Boky voalohan'ny Tantara 16:15
Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
Exodus 29:39(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Numbers 28:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy.
1 Kings 3:4Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin’ i Solomona teo amin’ izany alitara izany.
1 Kings 8:64Ary androtr’ io ihany no nanamasinan’ ny mpanjaka ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’ i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
2 Kings 16:14Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
2 Chronicles 7:4Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’ i Jehovah.