Boky voalohan'ny Tantara 16:20
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
1 Kings 2:10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
2 Kings 18:1Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Hezekia, zanak’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda.
2 Kings 21:26Ary nalevina tao amin’ ny fasany tao amin’ ny sahan’ i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 28:27Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
Hosea 1:1Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
Matthew 1:9ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;