Boky voalohan'ny Tantara 16:8
Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
2 Kings 12:19Ary Joasy, mpanjakan’ ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ ny mpanjakan’ ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin’ ny zavatra nohamasinin’ ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin’ ny rakitra, na ny tao an-tranon’ i Jehovah, na ny tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
2 Kings 16:17Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
2 Kings 18:15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
2 Chronicles 28:20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
Isaiah 7:17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);