Boky voalohan'ny Tantara 16:7
Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
1 Kings 20:4Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
2 Kings 15:29Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
1 Chronicles 5:26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
2 Chronicles 28:20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
Jeremiah 13:21Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
Lamentations 4:17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.