Boky voalohan'ny Tantara 17:15
Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 17
Cross References
Exodus 24:6Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.
Deuteronomy 12:30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
Deuteronomy 29:10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
Deuteronomy 29:25Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
Deuteronomy 32:31Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
1 Kings 16:13noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.