Boky voalohan'ny Tantara 17:25
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an’ i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan’ ireny izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 17
Cross References
Joshua 22:25fa Jordana no nataon’ i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak’ i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan’ ny taranakareo tsy hatahotra an’ i Jehovah ny taranakay,
1 Kings 20:36Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan’ ny liona ka novonoiny.
2 Kings 17:28Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin’ izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an’ i Jehovah.
2 Kings 17:34Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an’ i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ i Jehovah ny taranak’ i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
Jeremiah 5:6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Jeremiah 15:3Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;