Boky voalohan'ny Tantara 17:34
Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an’ i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ i Jehovah ny taranak’ i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 17
Cross References
Genesis 32:29Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Genesis 35:10Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
1 Kings 18:11Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
2 Kings 17:25Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an’ i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan’ ireny izy.
2 Kings 17:33Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ ny firenena izay efa nangalana azy avy.
Psalms 55:20Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.