bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 18 › Boky voalohan'ny Tantara 18:16
Boky voalohan'ny Tantara 18:16
Tamin’ izany andro izany no nanendahan’ i Hezekia ny volamena tamin’ ny varavaran’ ny tempolin’ i Jehovah sy tamin’ ny tolana, dia ilay efa napetak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; ary dia nomeny ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
At that time did Hezekiah cut off the gold from the doors of the temple of the LORD, and from the pillars which Hezekiah king of Judah had overlaid, and gave it to the king of Assyria.
In Context
15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
17Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 18
Cross References
2 Kings 12:19Ary Joasy, mpanjakan’ ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ ny mpanjakan’ ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin’ ny zavatra nohamasinin’ ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin’ ny rakitra, na ny tao an-tranon’ i Jehovah, na ny tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
This Verse In Other Editions
Study Boky voalohan'ny Tantara 18:16