Boky voalohan'ny Tantara 18:17
Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 18
Cross References
2 Kings 20:20Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
2 Chronicles 32:9Rehefa afaka izany, dia nirahin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an’ i Lakisy tamin’ izay) ho any amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ho any amin’ ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
Isaiah 20:1Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,
Isaiah 36:2Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.