Boky voalohan'ny Tantara 18:32
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an’ i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 18
Cross References
Numbers 13:26Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Deuteronomy 8:7Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
Deuteronomy 11:12dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.
2 Kings 17:6Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
2 Kings 18:11Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
2 Kings 24:14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.