Boky voalohan'ny Tantara 24:14
Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 24
Cross References
2 Kings 24:16Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
1 Chronicles 9:1Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
Nehemiah 1:2dia tonga Hanany, anankiray amin’ ny rahalahiko, mbamin’ ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ ny fahababoana, ary ny amin’ i Jerosalema.
Jeremiah 28:4ary Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin’ ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona.
Jeremiah 39:10Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany.
Jeremiah 52:16Nefa ny olona malahelo dia namelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.