Boky voalohan'ny Tantara 22:19
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’ izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 22
Cross References
Leviticus 26:31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Numbers 25:6Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Judges 2:4Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
1 Samuel 24:5Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
2 Kings 19:20Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
2 Kings 22:11Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny teny tao amin’ ilay bokin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.