Boky voalohan'ny Tantara 23:11
Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Deuteronomy 4:19Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
1 Chronicles 26:18Tany Parbara andrefana nisy efatra amin’ ny lalana, ary roa tao Parbara.
2 Chronicles 34:4Ary noravan’ ny olona teo anatrehan’ i Josia ny alitaran’ ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ ny fasan’ ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.